Fiarovana

Eksodosy 14.14
en.The LORD shall fight for you, and ye shall hold your peace.
fr."L`Éternel combattra pour vous; et vous, gardez le silence."
mg.Jehovah hiady ho anareo fa ianareo kosa hangina.
Deotornomia 31.6
en.Be strong and of a good courage, fear not, nor be afraid of them: for the LORD thy God, he it is that doth go with thee; he will not fail thee, nor forsake thee.
fr."Fortifiez-vous et ayez du courage! Ne craignez point et ne soyez point effrayés devant eux; car l`Éternel, ton Dieu, marchera lui-même avec toi, il ne te délaissera point, il ne t`abandonnera point."
mg."Mahereza sy matanjaha; aza matahotra, na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao, na hahafoy anao Izy."
2 Samoela 22.31
en.As for God, his way is perfect; the word of the LORD is tried: he is a buckler to all them that trust in him.
fr."Les voies de Dieu sont parfaites, La parole de l`Éternel est éprouvée; Il est un bouclier pour tous ceux qui se confient en lui."
mg."Raha ny amin' Andriamanitra, dia tanteraka ny lalany; ny tenin' i Jehovah dia voazaha toetra; ampingan' izay rehetra matoky azy Izy."
2 Samoela 22.32
en.For who is God, save the LORD? and who is a rock, save our God?
fr.Car qui est Dieu, si ce n`est l`Éternel? Et qui est un rocher, si ce n`est notre Dieu?
mg.Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary Iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
Joba 1.12
en.And the LORD said unto Satan, Behold, all that he hath is in thy power; only upon himself put not forth thine hand. So Satan went forth from the presence of the LORD.
fr."L`Éternel dit à Satan: Voici, tout ce qui lui appartient, je te le livre; seulement, ne porte pas la main sur lui. Et Satan se retira de devant la face de l`Éternel."
mg." Dia hoy Jehovah tamin' i Satana: Indro eo ambany fahefanao izay rehetra ananany; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao; dia nivoaka Satana niala teo anatrehan' i Jehovah."
Salamo 3.4
en.I cried unto the LORD with my voice, and he heard me out of his holy hill. Selah.
fr.(3:5) De ma voix je crie à l`Éternel, Et il me répond de sa montagne sainte. -Pause.
mg.Amin’ny feoko no iantsoako an’i Jehovah, ary any an-kavoanany masina no mihaino ahy Izy. [Sela.]
Salamo 9.10
en.And they that know thy name will put their trust in thee: for thou, LORD, hast not forsaken them that seek thee.
fr.(9:11) Ceux qui connaissent ton nom se confient en toi. Car tu n`abandonnes pas ceux qui te cherchent, ô Éternel!
mg."Ary hitoky aminao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao Jehovah ô,"
Salamo 16.1
en.Preserve me, O God: for in thee do I put my trust.
fr.Hymne de David. Garde-moi, ô Dieu! car je cherche en toi mon refuge.
mg.[Miktama nataon' i Davida.] TAHIRIZO aho, Andriamanitra ô, fa ianao no itokiako.
Salamo 16.8
en.I have set the LORD always before me: because he is at my right hand, I shall not be moved.
fr."J`ai constamment l`Éternel sous mes yeux; Quand il est à ma droite, je ne chancelle pas."
mg.Nataoko teo anatrehako mandrakariva Jehovah, satria eo ankavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.
Salamo 18.31
en.For who is God save the LORD? or who is a rock save our God?
fr."(18:32) Car qui est Dieu, si ce n`est l`Éternel; Et qui est un rocher, si ce n`est notre Dieu?"
mg.Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no Vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
Salamo 18.36
en.Thou hast enlarged my steps under me, that my feet did not slip.
fr.(18:37) Tu élargis le chemin sous mes pas, Et mes pieds ne chancellent point.
mg.Nohalalahinao ny lalana diaviko, ka tsy nibolasitra ny tongotro.
Salamo 27.12
en.Deliver me not over unto the will of mine enemies: for false witnesses are risen up against me, and such as breathe out cruelty.
fr.Ne me livre pas au bon plaisir de mes adversaires, Car il s`élève contre moi de faux témoins Et des gens qui ne respirent que la violence.
mg."Aza manolotra ahy ho amin' ny sitrapon' ny fahavaloko; fa vavolombelona mandainga sy mifofofofo loza no mitsangana hanohitra ahy."
Salamo 32.7
en.Thou art my hiding place; thou shalt preserve me from trouble; thou shalt compass me about with songs of deliverance. Selah.
fr.Tu es un asile pour moi, tu me garantis de la détresse, Tu m`entoures de chants de délivrance. -Pause.
mg."Ianao no fiereko; hiaro ahy tsy ho azon' ny fahoriana Ianao. Hiram-panafahana no ahodidinao ahy. [Sela.]"
Salamo 40.12
en.For innumerable evils have compassed me about: mine iniquities have taken hold upon me, so that I am not able to look up; they are more than the hairs of mine head: therefore my heart faileth me.
fr."(40:13) Car des maux sans nombre m`environnent; Les châtiments de mes iniquités m`atteignent, Et je ne puis en supporter la vue; Ils sont plus nombreux que les cheveux de ma tête, Et mon courage m`abandonne."
mg."Fa zava-dratsy tsy tambo isaina no nanodidina ahy; nahazo ahy ny heloko, ka tsy mahatraka aho; maro noho ny volon-dohako ireny ka reraka ny foko."
Salamo 46.2
en.Therefore will not we fear, though the earth be removed, and though the mountains be carried into the midst of the sea;
fr.(46:3) C`est pourquoi nous sommes sans crainte quand la terre est bouleversée, Et que les montagnes chancellent au coeur des mers,
mg.Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin' ny ranomasina aza ny tendrombohitra,
Salamo 59.17
en.Unto thee, O my strength, will I sing: for God is my defence, and the God of my mercy.
fr.(59:18) O ma force! c`est toi que je célébrerai, Car Dieu, mon Dieu tout bon, est ma haute retraite.
mg."Ry Heriko ô, Ianao no hohiraiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra izay mamindra fo amiko."
Salamo 62.3
en.How long will ye imagine mischief against a man? ye shall be slain all of you: as a bowing wall shall ye be, and as a tottering fence.
fr.(62:4) Jusqu`à quand vous jetterez-vous sur un homme, Chercherez-vous tous à l`abattre, Comme une muraille qui penche, Comme une clôture qu`on renverse?
mg."Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona? Ho voarodana avokoa ianareo rehetra toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona;"
Salamo 91.4
en.He shall cover thee with his feathers, and under his wings shalt thou trust: his truth shall be thy shield and buckler.
fr."Il te couvrira de ses plumes, Et tu trouveras un refuge sous ses ailes; Sa fidélité est un bouclier et une cuirasse."
mg."Ny volon' elany no hanaronany anao, ary ao ambanin' ny elany no hitokianao; ho ampinga kely sy ampinga lehibe ho anao ny fahamarinany."
Salamo 118.6
en.The LORD is on my side; I will not fear: what can man do unto me?
fr.L`Éternel est pour moi, je ne crains rien: Que peuvent me faire des hommes?
mg.Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon' ny olona atao amiko?
Salamo 118.8
en.It is better to trust in the LORD than to put confidence in man.
fr."Mieux vaut chercher un refuge en l`Éternel Que de se confier à l`homme;"
mg.Tsara ny matoky an' i Jehovah noho ny mametraka ny fitokiana amin' olona.
Salamo 119.114
en.Thou art my hiding place and my shield: I hope in thy word.
fr."Tu es mon asile et mon bouclier; J`espère en ta promesse."
mg."Fiereko sy ampingako Ianao; ny teninao no antenaiko."
Salamo 146.9
en.The LORD preserveth the strangers; he relieveth the fatherless and widow: but the way of the wicked he turneth upside down.
fr.L`Éternel protège les étrangers, Il soutient l`orphelin et la veuve, Mais il renverse la voie des méchants.
mg."Miaro ny vahiny Jehovah; mampionona ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, fa mampitsimbadika ho ambony ambany kosa ny lalan' ny ratsy fanahy."
Ohabolana 2.7
en.He layeth up sound wisdom for the righteous: he is a buckler to them that walk uprightly.
fr.Il tient en réserve le salut pour les hommes droits, Un bouclier pour ceux qui marchent dans l`intégrité,
mg.Mitahiry ny tena fahendrena ho an' ny marina Izy sady ampingan' izay mandeha mahitsy.
Ohabolana 2.8
en.He keepeth the paths of judgment, and preserveth the way of his saints.
fr.En protégeant les sentiers de la justice Et en gardant la voie de ses fidèles.
mg."Mitandrina ny lalan' ny fitsarana Izy; ary miaro ny lalan' ny olony masina."
Ohabolana 4.23
en.Keep thy heart with all diligence; for out of it are the issues of life.
fr.Garde ton coeur plus que toute autre chose, Car de lui viennent les sources de la vie.
mg.Tandremo ny fonao amin' izay fitandremana tsara rehetra, fa avy ao no ivoahan' ny aina.
Ohabolana 18.10
en.The name of the LORD is a strong tower: the righteous runneth into it, and is safe.
fr."Le nom de l`Éternel est une tour forte; Le juste s`y réfugie, et se trouve en sûreté."
mg."Ny anaran' i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina mihazakazaka ho ao aminy ka voaro."
Ohabolana 30.5
en.Every word of God is pure: he is a shield unto them that put their trust in him.
fr.Toute parole de Dieu est éprouvée. Il est un bouclier pour ceux qui cherchent en lui un refuge.
mg."Ny tenin' Andriamanitra rehetra dia madio; ampinga ho an' izay matoky Azy izy."
Isaia 1.17
en.Learn to do well; seek judgment, relieve the oppressed, judge the fatherless, plead for the widow.
fr."Apprenez à faire le bien, recherchez la justice, Protégez l`opprimé; Faites droit à l`orphelin, Défendez la veuve."
mg."Mianara ny hanao ny tsara; katsaho izay rariny; afaho ny ampahoriana; ataovy ny rariny ho an' ny kamboty; alaharo ny tenin' ny mpitondratena."
Isaia 46.4
en.And even to your old age I am he; and even to hoar hairs will I carry you: I have made, and I will bear; even I will carry, and will deliver you.
fr."Jusqu`à votre vieillesse je serai le même, Jusqu`à votre vieillesse je vous soutiendrai; Je l`ai fait, et je veux encore vous porter, Vous soutenir et vous sauver."
mg.Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsivolo anareo, dia Izaho ihany no hitondra anareo. Izaho no nanao ka Izaho ihany no hitrotro, eny, Izaho no hitondra sy hanafaka anareo.
Isaia 54.17
en.No weapon that is formed against thee shall prosper; and every tongue that shall rise against thee in judgment thou shalt condemn. This is the heritage of the servants of the LORD, and their righteousness is of me, saith the LORD.
fr."Toute arme forgée contre toi sera sans effet; Et toute langue qui s`élèvera en justice contre toi, Tu la condamneras. Tel est l`héritage des serviteurs de l`Éternel, Tel est le salut qui leur viendra de moi, Dit l`Éternel."
mg.Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay hiady aminao eo amin' ny fitsarana dia horesenao lahatra. Izany no lovan' ny mpanompon' i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.
Nahoma 1.7
en.The LORD is good, a strong hold in the day of trouble; and he knoweth them that trust in him.
fr."L`Éternel est bon, Il est un refuge au jour de la détresse; Il connaît ceux qui se confient en lui."
mg.Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin' ny andro fahoriana, ka mahalala izay mialoka aminy.
Matio 6.13
en.And lead us not into temptation, but deliver us from evil: For thine is the kingdom, and the power, and the glory, for ever. Amen.
fr.ne nous induis pas en tentation, mais délivre-nous du malin. Car c`est à toi qu`appartiennent, dans tous les siècles, le règne, la puissance et la gloire. Amen!
mg.Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakampanahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena.
Matio 26.53
en.Thinkest thou that I cannot now pray to my Father, and he shall presently give me more than twelve legions of angels?
fr.Penses-tu que je ne puisse pas invoquer mon Père, qui me donnerait à l`instant plus de douze légions d`anges?
mg.Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin' ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin' ny folo legiona ho ety amiko Izy ankehitriny?
Romana 8.31
en.What shall we then say to these things? If God be for us, who can be against us?
fr.Que dirons-nous donc à l`égard de ces choses? Si Dieu est pour nous, qui sera contre nous?
mg.Inona ary no holazaintsika ny amin' izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
1 Korintiana 3.17
en.If any man defile the temple of God, him shall God destroy; for the temple of God is holy, which temple ye are.
fr."Si quelqu`un détruit le temple de Dieu, Dieu le détruira; car le temple de Dieu est saint, et c`est ce que vous êtes."
mg."Raha misy manimba ny tempolin’Andriamanitra, dia mba hosimban’Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin’Andriamanitra ary ianareo izany tempoly izany."
1 Korintiana 13.6
en.Rejoiceth not in iniquity, but rejoiceth in the truth;
fr."elle ne se réjouit point de l`injustice, mais elle se réjouit de la vérité;"
mg."Tsy mifaly amin’ny heloka, fa mifaly amin’ny fahamarinana kosa;"
Efesiana 6.11
en.Put on the whole armour of God, that ye may be able to stand against the wiles of the devil.
fr.Revêtez-vous de toutes les armes de Dieu, afin de pouvoir tenir ferme contre les ruses du diable.
mg.Itafio avokoa ny fiadian' Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.
Efesiana 6.13
en.Wherefore take unto you the whole armour of God, that ye may be able to withstand in the evil day, and having done all, to stand.
fr.C`est pourquoi, prenez toutes les armes de Dieu, afin de pouvoir résister dans le mauvais jour, et tenir ferme après avoir tout surmonté.
mg."Noho izany, dia raisonareo avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba ahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa izany, dia hahafahatra ianareo."
Filipiana 4.13
en.I can do all things through Christ which strengtheneth me.
fr.Je puis tout par celui qui me fortifie.
mg.Mahay ny zavatra rehetra aho amin’ny alalan’i Kristy izay mampahery ahy.
2 Timoty 4.18
en.And the Lord shall deliver me from every evil work, and will preserve me unto his heavenly kingdom: to whom be glory for ever and ever. Amen.
fr.Le Seigneur me délivrera de toute oeuvre mauvaise, et il me sauvera pour me faire entrer dans son royaume céleste. A lui soit la gloire aux siècles des siècles! Amen!
mg."Ary ny Tompo hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ka hitahiry ahy ho any amin’ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena."
Hebreo 13.6
en.So that we may boldly say, The Lord is my helper, and I will not fear what man shall do unto me.
fr."C`est donc avec assurance que nous pouvons dire: Le Seigneur est mon aide, je ne craindrai rien; Que peut me faire un homme?"
mg.Ka dia sahy isika manao hoe: Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra izay hataon' ny olona amiko aho.
Apokalypsy 7.16
en.They shall hunger no more, neither thirst any more; neither shall the sun light on them, nor any heat.
fr.ils n`auront plus faim, ils n`auront plus soif, et le soleil ne les frappera point, ni aucune chaleur.
mg."Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory."

Thèmes

Afobe Ahiahy Akaiky An-tsaina Andriamanitra Anjely Ankizy Aretina Asa Avelao Batisa Devoly Divay Eritreritra Fahafaham-po Fahafahana Fahafatesana Fahafehezan-tena Fahagagana Fahalalan-tanana Fahalemena Fahamarinana Fahamasinana Fahantrana Faharetana Fahasalamana Fahasoavana Fahatezerana Fahatokiana Fahazavana Fahazoana antoka ao amin'Andriamanitra Fahendrena Fahotana Fakam-panahy Famelan-keloka Faminaniana Famindrampo Famonjena Famoronana Fampaherezana Fampakaram-bady Fampihavanana Fanahin'olombelona Fanahy Masina Fanajana Fanambadiana Fanandevozana Fanantenana Fanaovana drafitra Fanaovana ny marina Fanasitranana Fandresena Fandriam-pahalemana Fanekena Fanenjehana Fanetren-tena Fangoraham-po Faniriana Fanjakana Fankatoavana Fanomboana Fanompoam-pivavahana Fanovana Fiadanana Fiaiken-keloka Fiainana Fiainana Mandrakizay Fiakarana Fialan-tsasatra Fianakaviana Fiangonana Fiankinan-doha Fiantsoana Fiaraha-monina Fiarovana Fiavonavonana Fibebahana Fiderana Fifadian-kanina Fifaliana Fifanarahana Fifandraisana Fijinjana Finoana Fiovam-po Fisakaizana Fisaonana Fitabatabana Fitafiana Fitahiana Fitaovana Fitiavam-bola Fitiavan-karena Fitiavan-tena Fitiavana Fitoriana filazantsara Fitsaharana Fitsanganana amin'ny maty Fiverenana Fo Hatsaran-toetra Hatsarana Herim-po Hery Ho avy Izao tontolo izao Jesosy Kristy Kamboty Krismasy Lainga Lalàna Lanitra Mahatakatra Mahery indrindra Mamantatra Mamoa Mamy Manadio Manara-dia Mandray Manome Manompo Mesia Mianatra Mihaino Mihinana Mihira Mikaroka Miteny Mofo Mpamonjy Mpampionona Mpanafaka Mpanelanelana Mpitondra tena Paska Pentekosta Rariny Ratsy Ray Sabata Sarobidy Sazy Sorona Tahotra Tenifikasana Tenin'Andriamanitra Trosa Tsy manan-tsiny Valisoa Vatana Vavaka Vola Zava-mahadomelina
Vous avez aimé ? Partagez autour de vous ! facebook facebook twitter whatsapp linkedin flipboard mailto